TARATASY HO AN’NY MANINA… (RRAG)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TARATASY HO AN’NY MANINA…
Ry Malagasy ilavitra any, ity no hany sora-tanako,
taratasy ho an’ny manina, ho anareo namako.
Ka raha mahatsiaro ianao, dia tsarovy i Gasikara,
ilay tany nipoirana, tanindrazana malala.

Aza hadino fa ny tolona, nilofosan’olomanga,
tanaty ady mafy maro, eny hatreny Moramanga,
dia ho anao ihany, ilay taranaka mpandimby,
efa voafidy, ka aza miala adidy.

Ry Malagasy ilavitra any, raha toa ianao ka mitomany,
misento ho an’ny tany aty, dia mba tsarovy ity:
“Fa ny fanoloranao fitia, dia tsy ho very sanatria,
fa hitoetra hatrany, ho an’ny tany mamy”.

Ka indro sora-drà mitoetra, ataoko dika maromaro.
Ranomenan-drà nandriaka, zary nifangaroharo,
no entiko manoratra, ‘lay taratasy ho an’ny manina.
Aza milavo lefona, tandremo koa sao fanina!

Ry Malagasy iray aina, iray volon-kodi-mainty,
tsy hanavaham-poko avy, dia asiako hoe tsy maintsy.
Mba ahafahana miroso, miady ho an’ny tanindrazana.
Izay lova hany sisa, mba navelan’ireo razana!

Ry Malagasy be fitiavana, hampanjakao ny fihavanana.
Aleo izy hitoetra, na mahantra io na manana.
Fa io ihany no mba tohatra, hahafahantsika miakatra.
Miara-mianika ny avo, eny hatramin’ny eny Ankaratra.
RRAG
Febroary 2012
--------
Rohy:
413 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0217