TE HO NAMANAO AHO! (RRAG)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TE HO NAMANAO AHO!
Akory aza raisina, hevitra hafa misy ambadika...
Tsy maninona raha mety, ny lela aleo hivadibadika,
fa tsy ho velively mihitsy, ny fihevitrao no hevitro...
Te ho namanao aho, izay aloha no kinendriko...

Namanao ilay fizara, manaiky hivesatra alahelo...
Namanao ilay mpizara, sanatria tsy hihelohelo...
Tsy hanao tetezam-piampitana, ny fifamatora-misy...
Tsy haka mamy ka hikafara, ary avy eo dia midify...

Te ho namanao am-po, an-tsaina sy fanahy mivetso...
Mba te hamafa ranomaso, na hampitoniana raha misento!
Te ho sakaiza fandeferana, kibay fiaro anao an'ady...
Te ho fefy fiarovana, na koa mety ho vavahady...

Te mba hihaino anao mitsiky, mitanisa fifaliana...
Hanampy anao hilanja irony, sedra miary fijaliana...
Fa tsy hanaiky velively, totohatra fiakaranao,
raha mbola misy fikafika, mitoetra an-tsainao ao!
RRAG
20 Aprily 2021
--------
Lien:
260 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0228