TENA IANAO…! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TENA IANAO…!
Ianao ‘lay zazavavy, kanto sy bikàna,
tsy fantatro anarana, no injay nanaitra ahy.
‘Lay endrikao mifaly, ny tsiky mahatamana,
no mety ho fandaharana, hiraisan’ny fanahy.

Tsotra ianao ka tsotra, sariaka dia sariaka,
mitsiky tsy miavona, toy ny mahalala ahy.
Ny fitafinao tsotsotra, mamoaka ireto bika,
ay! Ka meva marina, mambabo ‘ty fanahy.

Raha sitrakao anefa, aleo ianao omeko,
anarana miavaka, mba hiantsoako anao.
Ho anarana miantefa, mikitika ny jeriko,
tokana manavaka, fa tena kanto ianao.

Ahoana raha “Mioty”, satria namafy tsiky,
dia mioty izay nafafy, ho an’ny foko tia?
Na koa hoe “Miangoty”, satria nampitampify,
sy nieza-nanamafy, ny fitiavako ho doria?

Tsy ratsy raha “Tsiky”, toy ny endri-tavanao,
‘zay mandina fitia, sy hatsoram-po toy izao.
Tsara koa raha “Lisy”, lisin’ny foko ianao,
ka entiko hiara-dia, amin’ny lalako vaovao.

F’izay tena anaranao, tsy mbola haiko akory,
fa amiko ianao dia, namoha ahy resi-tory.
Ka ianao izany amiko, no ilay “Fitiavana”,
tontolo sy akaniko, tiako ianao rahavana!
RRAG
28 Martsa 2018
--------
Rohy:
343 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0172