TENA TSY HO VITAKO… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TENA TSY HO VITAKO…
Mbola ho vitako ihany ve,
ny hanatona anao am-pandeferana,
hihaino ity tolokonao,
‘zay novolen’ny fanenenana?

Mbola ho vitako ihany ve,
ny hijery, ‘ty masonao mipararetra,
mangovitra tsy sahy miteny,
tsy mahantso ny anarako?

Ity foko toa mba maika,
ny hampody anao an-trano.
Nefa tsy zakan’ity saiko,
ny hitopy indray ‘ty endrikao.

Ka mbola ho vitako ihany ve,
ny hanambara aminao,
fa ao an’efitry ny foko,
mbola misy toeranao?

Nefa mantsy raha mba reko,
ny fitepon’ny fonao.
Dia mety hiverina hirehitra,
‘lay afom-pitia anatiko ao.
RRAG
Jona 2010
--------
Rohy:
275 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.021