TENY AMBOARAKELY… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fahatsiarovana manokana an’i Antsa ity tononkalo ity! Tsy izy mivantana no tena horesahina fa ilay fiangonana katôlika “Notre dame de l’assomption” Amboarakely Ambatolaona.

TENY AMBOARAKELY…
Nisy fononteny napetraky ny lasa,
teny Amboarakely!
Nisy fahatsiarovana tsy mbola voafafa,
ninia nitoetra teny!

Nisy tsikitsiky nentim-pifaliana,
tsy foanan-dranomaso!
Teny Amboarakely no nisy vinavina,
ravan’ny ankaso!

Nisy nofinofy sinaingy tsy tanteraka,
nitoetoetra teny ho eny!
Nisy akom-pety tsy nisy ilay mpitehaka,
sy tsisy mba nijery!

Fa foana Amboarakely!
Hontsa teo i Neny!
Naresy ny ankaso,
dia bongo ity ny maso!
Lavo ‘lay hany hery,
gina tsy nahateny!

Nisy vinavina tsy afaka nivelatra,
teny Amboarakely!
Teny izao no lavo rehefa tena reraka,
ilay zazakely!
RRAG
05 Nôvambra 2011
--------
Rohy:
289 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0211