You are here: home > Vetso

TENY ANTSEFATSEFANY… - RRAG

Azo vakiana?

TENY ANTSEFATSEFANY…
Nitomany ianao, naràtra ny hambom-po!
Niezaka nitraka, saingy vinaky lohan’
izato sedra-piainana, manosika hianjera!
Nitsiry teny antsahan’ny fonao vao tsy ela!

Teny antsefatsefany dia nisy fifaliana.
Nisy tsiky kely nanala fijaliana.
Saingy tsy nampitony ny efa tao anaty,
ilay afo nanazava, no zary toa efa maty!

Dia niveri-nitanondrika, tsy nahajinery lanitra.
Zary nanome tsiny, ny lahatr’Andriamanitra!
K’injay nandon-tratra, dia niverina nikimpy.
Sao mantsy nofy ihany ka mba mora dify!

Teny antsefatsefany dia foana ny alahelo.
Rava avokoa, ny ankaso nihelohelo.
Saingy niahy nandrako-pery, ny fonao tao anaty.
Satria tokoa mantsy, sedra iray tsy tanty!
RRAG
05 Aprily 2019



Hametraka hevitra

Midira aloha