TENY FARANY… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TENY FARANY…
Noraisinao ny entanao, dia nofafanao ny ranomasoko.
Notopazanao tsiky aho, ka indro ianao nandao.
Nandao ‘ty akanim-pahazazana, nahafantaranao fiainana.
Nianaranao namindra, na nody vovoka aza ny fitarainana,
fangatahanao fitia, herinao anaty haizina.
Tsy namelanao niady irery, niady irery anaty maizina!
Nampatsiahy anao hatrany, ny hafany ho an’ny tany,
hany teny farany, manan-danja indrindra, nandatsahany tomany.
RRAG
28 Septambra 2010
--------
Rohy:
430 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0231