TENY HO ENY IZAO… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TENY HO ENY IZAO…
Teny ho eny izao dia, nisy ilay fitia,
lefona natoraka, handràtrana ahy.
Tamin’ireny isika, mbola niara-dia,
dia izaho no ‘lay hoe: “Silaka fanahy”.
Nefa anie ka nofy e! Rotsirotsin-tsaina,
entin’ny eritreritra, hamafa ny taraina!

Teny ho eny koa mantsy, no nisy fiadanana,
tsy natao ho ahy, ka tsy naharitra ela.
Rava teny koa ‘lay hoe: “Rohi-pihavanana”,
hany pentin-tsoratra, sisa mba tavela!
Dia nakimpy mora, tsy hijery anao intsony,
‘ty maso bongon-drano, ‘zay zary resi-tory!

Teny ho eny ih! Nisy ranomaso,
tohofan’alahelo, mbola tsy hay vonoina.
Teny koa no nandry, ny ferin’ny ankaso,
miraiki-tsy voafafa, fa sarotra hadinoina.
Manko injay mikiky, mandrangotra ny tena,
fery efa milona ka, satry tsy ho jerena!

Teny ho eny izao, nisy fahafahana,
tsy natao akory, ho an’ny foko ory.
Dia voalaza hatrany, fa hoe fandaharana,
ny fitepon’ito fo, raha iny taitra tory.
Soa fa isan-tsiaro, tsy levon’ny taona,
‘rony fifaliana takonan’alahelo, anaty fo misaona.
RRAG
05 Mey 2019
--------
Rohy:
327 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0212