You are here: home > Vetso

TENY SENDRA LASA…! - RRAG

Azo vakiana?

TENY SENDRA LASA…!
Sendra ianao nisangy, niresaka fitia,
niboraka tsy satry, ny nihiboka tam-poko.
Ka nahateny mafy aho, nahaboraka fa tia!
Satriko ianao no, hivahiny am-poko!

Teny sendra lasa, tsy tanako anefa,
no zary feo niantsampy, tolotra ho anao.
Ny hitàna ireny, toa ezaka tsy ho efa,
ka eo mba raiso re, ‘ty foko mitalaho.

Tiako ianao! Hoy ‘ty vavako niteny.
Tiako tena tiako, hoy ‘ty foko mitroatra!
Tiako ianao! Ka porofoin’izato jery,
saingy indrisy! Fa ny foko no niahotra!

Teny sendra lasa, no nahafantaranao,
ny fitiavana nitoetra, tsy vinakin’ny aty fo.
Teny sendra lasa, no zary niendrika talaho,
ka nanataka ny zaitra, nampiombo aretin-doha!
RRAG
06 Aogositra 2019


Hametraka hevitra

Midira aloha