TENY TSY MISY BARAINGO… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TENY TSY MISY BARAINGO…
Ny tiako, ny tiana, ny am-poko tsy irina,
satriko koa ho isam-paniriana, anatin’ny fon’ilay olon-tiana.
Ny sentoko, ny antso, ny fanahiko mivetso,
no reko manako manaitra ny foko, hiverina hisento.

Teny ny ahy, tsy misy baraingo, tsy fanontaniana,
vetsom-panahy teny mihaingo, rindram-pifaliana.
Teny tsy miendrika fanontaniana, tsy mba ankamantatra,
fa tenin’ny fo avy amin’ny tiana, ilay mbola tsy fantatra!
RRAG
21 Martsa 2013
--------
Rohy:
342 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0466