TIA AHY HONO IZY… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny mpanoratra dia mikendry mampita hafatra amin’ny sehatra maro! Aza tsiny indrindra raha somary haka toeran’ny vehivavy ny tenako… Somary sarotra ny hifehy izany saingy ezahina ihany aloha ho tena famaritra ny ainga tiana ho ampitaina…

TIA AHY HONO IZY…
Eh! Tia ahy hono izy, toa tsapako ery,
fa vesatra ao am-pony, izany hoe mitia!
Dia naborany ho ahy ny tao anaty fony,
tsapako izy mihovitra toa tsy mety tony!

Fa moa koa mba tiako, ny hamaly eny?
Miraikitra ny lelako, toa tsy afaka miteny!
F’izany dobodoboky ny foko ato anaty e!
Mitroatroatra mafy ka hila toa tsy tanty!

Tia ahy hono izy ka injao manipy tsiky,
Hovaliako ve sa hodiako hikimpy?
Hodiako tsy re, dia mba averimberiny,
toa mambabo ahy, hatramin’ity fijeriny!

Asiako maso vilana, hijery ny endri-tavany,
ilay tiako indrindra, no injay naloa-bavany!
Ay! Mievotrevotra tsy miato, ny foko te hamaly,
nefa koa ny saiko, manahy sao hijaly!

Dray! ‘Ty tanany mandray, ny tanako resin’ny hovitra,
tsapako dia tsapako, fa izy koa mangovitra.
Dia saika nantsafaiko hoe: “Ianao kay saro-tahotra”,
nefa avy eo ny lelako, nangina fa niahotra!

Tia ahy hono izy, sady tiako koa,
fa saingy tsy hovaliako, raha ny anio aloha,
sao mantsy heveriny, fa tsipolitra aho,
ka tsy azoko atao, ny hamaly izao dia ‘zao!
RRAG
11 Desambra 2018
--------
Rohy:
1283 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0203