TIA HOE AHO O? (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TIA HOE AHO O?
Ny angolako, ny tsikiko, ny hantako, ny teniko,
samy fanehoana, fitia avy ao anaty!
Kanefa dia fihetsika, namboly irony neniko,
no ninday fanahy, hiesona sy ho faty!

Tia hoe aho o? Fa ahoana no mitia,
no dia raho-mainty no manaloka ny lanitro?
Sa tsy haiko mihitsy? Aoka ho sanatria,
ho zary haizim-be, hanelo ny akaniko!

Tinery ho ranomaso no arotsa-tava kivy!
Fa taiza tamin'ireny no nisy kajy diso?
Akory no hamaritako, ny anjara sy safidy,
raha ny foko tia aza, toa tsy mety mino?

Hoe izato ianao, no anjaran'ny fitiavako,
toaviko tanteraka!
Anarana tsy miala, eny an-tendrom-bavako,
tononin-tsy mandreraka!

Tia hoe aho o? Indrisy anefa tsy haiko,
ny tena hoe fitiavana!
Ka dia mitsapatsapa, eny hatramin'ny saiko,
sy mianatra miantso, anao ho isan-kavana!

Tia hoe aho o? Sa mbola sarintsariny,
sarotra faritana, ny mitsimoka ao am-po?
Tia angamba aho, k'injao miandry rariny,
ny tena hiara-droa!

Fa tsy toy ny nofy, milevina ao an-doha,
ny fifamatorantsika!
Ho rimbom-bolamena, kely fa mahasoa!
ity fitiavantsika!
RRAG
13 Aprily 2021
--------
Rohy:
291 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.017