TIAKO HO NOFY… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TIAKO HO NOFY…
Mba tiako ho nofy fotsiny, ilay ianao nandao,
namela ahy irery, tan-tokantranontsika!
Mba tiako ho nofy fotsiny, ilay ‘zaho nitalaho,
nanganohano jery, handravonana ny antsika.

Saingy toa tsy nofy, fa tena lasa ianao,
nangorona ny entana, dia tsy nanao veloma.
Namonjy akany hafa, misy iray vaovao,
dia ‘ty nofiko e! Tiako hohadinoina.

Tiako ho nofy fotsiny, izaho ‘lay nitomany,
latsa-dranomaso, gina tsy nahateny.
Tiako ho nofy koa, ireo zaza nanontany,
hoe: “Dada a! Fa aiza angaha i Neny?”

Raha azoko fafana, dia tiako ho nofy koa,
ilay izaho sy ianao, nifamboraka fitia.
Koseho re ry lahatra, ity ràtram-po,
napetrak’ireo dina, sy voady hiara-dia.

Raha sitraky ny foko, dia mba tiako ho nofy,
ianao ilay nandatsa, nanitsakitsaka ahy.
Iriko koa ho nofy, irony rotsirotsy,
namitahanao ahy hoe, silaka fanahy!
RRAG
18 Oktôbra 2019
--------
Rohy:
352 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0213