TIAKO IALAHY MALALA A! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TIAKO IALAHY MALALA A!
Tsy ilaina averimberina,
hotenenin-dava,
ny teny tiako ianao.
Nefa! Satriko hankarenina,
toy irony hikan-jaza,
fa tena tiako ianao.

Tsy mila atamberina,
aloakan’ny vava,
ny hiteny tiako ialahy.
Fa ny ainga re mitrerona,
nampihovitra ny tava,
no nanainga ny fanahy.

Tiako ialahy malala a!
Resin’ialahy ny foko,
ka satriko tsy hiala,
anatin’ity toloko.
Tontolon’ny fitiavana,
natolotra ho ahy.
Ialahy no tena namana,
saingy! Tena tiako ialahy.

Tiako ialahy malala a!
Hoy ny antson’ny fanahy.
Tiako ialahy malala a!
Tiako ho ahy.
Ho ahy samirery,
ho lisin-jaridaiko.
Ho aingam-po mijery,
ho fitia ‘ray holalaiko.
RRAG
Alatsinainy 30 Septambra 2013
--------
Rohy:
332 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0208