TIAKO IANAO RAHAVANA... (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TIAKO IANAO RAHAVANA...
Atambero isan'andro ry eritreritro mania,
fa tsy any ilavitra any, no mitoetra 'lay fitia.
Fa eto anilanao 'lay tiako, sady tia ahy koa!
Malalako! Tokako! Sady famatotry ny fo...

Mitamberina anio, ilay androm-pifaliana,
tsy hirina velively, hivadik'androm-pahoriana.
Fa ny kinasan'ity foko, dia ny ho anao mandrakizay.
Na ranon'oram-be matevina, araham-bara-mivaivay!

Dia hifamatotra eny isika, hifampitantana eny foana.
Hifanohana eny koa, ninoninona fotoana.
Satria isika iray fo, mifamatotra fitiavana.
Na inona andro mety hahaory, dia tiako ianao Rahavana!
RRAG
24 Nôvambra 2020
--------
Rohy:
314 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0209