TIAKO IANAO, R'ILAY TSY FANTATRO ANARANA...! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TIAKO IANAO, R'ILAY TSY FANTATRO ANARANA...!
Ianao 'lay teny an-dalana, miaron’akanjo volontany.
Tovovavy tena manja, raha mitsiky toy izany.
Izato fibaben-kitapo, somary atao mirirandrirana.
Ny endri-tavanao angamba, no iantsoako anao hoe: “Mirana”.
Nefa toa tsy izany indray, fa dia miavaka famindra.
Sa ianao ry anjelikely, no ilay hoe: “I kala Rindra?”

Ianao 'lay teny an-dalana, no nifanena isika roa.
Tovovavy iray miavaka, asa raha ianao no “Vatosoa”?
Saingy mbola hodisoiko, izato anaranao nomeko.
Satria tokoa mantsy, raha ny fijerinao ekeko,
fa ianao ilay “Sariaka”, toa falifaly lalandava.
Ny harerahako nandreraka, nahita anao dia nisava.
Ka tsy mahadiso ahy, ny miantso anao ho “Sitraka”,
satria aho tsy mahita anao, dia tena tsapako fa vizaka!

Ianao ilay miresaka, mitafatafa toy ny mibitsika,
amin'ireo namanao, dia izaho no mangorintsina,
ka mba maniry ny hiantefany, hiantefan'ny akonao.
Tiako ianao r'ilay tsy fantatro, fa mba iza moa ny anaranao?
Sa ataoko hoe: “Malala”, ka hampientana ny foko?
Nefa moa raha “Tiana” indray, dia amin'izay toy ‘lay tsy foiko.

Tiako homena anao daholo, ireo anaran-kanto indrindra.
“Mirana”, “Vatosoa”, “Sariaka”, eny hatramin'ny hoe: “I Rindra”.
Saingy tsy mahafehy anao, izay anarana hotononiko.
Na ho asiako “Malala”, eo koa ‘lay “Tiana”, sy ninoninona hoforoniko.
Dia hafa ihany ny tena anao, eny, tsy afaka holazaiko.
Satria ny anaranao 'lay kanto indrindra, tena mbola tsy haiko!
RRAG
30 Martsa 2017
--------
Rohy:
391 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0169