TIAKO IANAO SAINGY… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TIAKO IANAO SAINGY…
Tiako ianao saingy,
tsy afaka ny foko,
ny haneho ankalalahana,
ny fitia anatiko ao.
Tiako ianao saingy,
ny aiko toa tsy sahy,
hanambara anao ny marina,
‘zay tahirizin’ny fanahy.

Tiako ianao saingy,
fantatro dia fantatro,
ny fitroatram-poko,
raha vao mahita anao,
eny an-tratrany eny.
Tiako ianao saingy,
efa nolavin’ny efitro,
‘zay efitry ny foko,
ny hanala anao,
eny an-tanany eny.
RRAG
26 Febroary 2013
--------
Rohy:
604 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0171