TIAKO IZY… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TIAKO IZY…
Tsy asiako hoe satria, tiako fotsiny izy.
Tena fitia, fa tsy fijery mba nitopy.
Tsy feo toa feo, na resa-bava fotsiny,
fa fo no injao maneho, ny ravaky ny rotsiny.

Tiako fotsiny izy, fa tsy nasiako antony.
‘Lay foko mitahiry, ny endrika ‘zay kantony.
Tiako izy, ka tsy nofy intsony!

Tiako izy tsy an-tery, ka ny foko tia azy.
Efa laniko tsianjery, ka tsy sahy mivazivazy.
Tsy misy fetra ny fitiavako, ka ‘zay vesatra aza laviko,
handrendrika ny kely am-poko, tsy maninona, fa ho hafoiko.

Fa izy kosa tsy ho hariako, na mafy aza ‘zay ho toloko.
Izy tsy mba hivadiako, na fasana aza no hisitrihako.
Tiako izy, ka babony ny foko!
RRAG
Janoary 2012
--------
Rohy:
604 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.021