TIAKO MBA TAZANINA... (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TIAKO MBA TAZANINA...
Toa aloka mandalo, miserana an-tsegaondra.
Toy irony kalo, tsy re efa aman-taona.
Ny endrikao ry lisy, rava-jaridaiko...
Saingy nefa indrisy, tsy ho afaka ho halaiko.
Tsy afaka ny otazako, fa zary nofinofy.
Nofin'ity aliko, izany mba hitosy.

Ilavitra tsy takatro, tsy mahare ny antsoko.
Aiza ianao Rahavako, fa milanao ny akaniko?
Mba miverena faingana, raha azonao atao.
Saingy indrisy ry aiko, nofy efa mankalao.
Mandoro toa tsy tana, mamatotra ny tena.
Hisaraka aminao, 'lay ivom-pandresena.
Niandrasako efa ela, hitondra singan-taratra.
Saingy nofy angamba ny ahy, nofim-pahavaratra!
RRAG
09 Febroary 2016
--------
Rohy:
245 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0205