TIANA SY LALAINA (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TIANA SY LALAINA
Ny tiana hafa ihany, fa feno fandeferana.
Tsy mora revo izany, amin’ny aloka miserana.
Ny fitia dia voka-po, hasin’ny nahary.
Mampiray fo roa, na maromaro izany.

Ny tiana fanantena, fanandratra ny lavo.
Ny fitiavan-tena, tsy mahatonga avo.
Ny Firaisankina, dia voa avy amin’ny tiana.
Efa voajanahary, fa tsy mba soa nirina.

Ny lalaina kosa indray, to sy toavina.
Teny mifandray, tsy misy azo lavina.
Ny lanjany dia tokana, fa vesatra tsy zaka.
Ny fahendrena hananany, dia efa tsara faka.

Ny lalaina ihany, no mari-pankatoavana.
Aina nentin-tany, fa soa nentin-kavana.
Lala fa tsy fantatra, misitery tsy hita.
Tsy mba ankamantatra, fa tetezana fiampita.

Ny tiana sy lalaina, tokana fijery.
Hafa fomba fiaina, fa samy tsy irery.
Mifampiankin-toetra, iray fototr’aina.
Samy soa ireo, fa misy koa taraina.

Ny tiana sy lalaina, dia miavaka amin’ny soa.
Mamelombelon’aina, manafosafo fo.
Vony tsara tsiry, manimani-pofona.
Saingy ny hirifiry nentiny, no fota-nampihosina.
RRAG
11 Janoary 2013
--------
Rohy:
324 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0204