TIANY IANAO… (SAFIDY: 2012) (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TIANY IANAO… (SAFIDY: 2012)
Tiany ianao fa saingy, mbola toa tsy sahiny!
Tiany ianao fa saingy, mbola ahiahiny!
Sao ianao hivadika, hiova lasy vao,
ka hanindrona azy ambadika, hanery ny fony hitalaho!

Tiany ianao fa saingy, ny hitia anao tsy sahiny!
Tiany ianao fa saingy, miahotra ny fanahiny!
Menatra ny hanipy resaka, sy hitafa aminao,
ka ny hany ataony, dia ny mitazana toy izao!

Tiany ianao fa saingy, olon-kafa no eny an-tratrany!
Tiany ianao fa saingy, efa rakitry ny lasany!
Efa sisan’ny tantarany, tsy azony hampodiana intsony,
na tiany aza ianao dia naleony, ny fony no natony!

Na hatamberina hiverina, na hogaina hankarenina,
dia ianao, no aloka ny lasany, ilay namela rako-pery!
Nefa tiany ianao, ny namoy anao no nenina
mandrakotra ny sainy, tiany ianao, fa saingy misitery!
RRAG
17 Desambra 2012
--------
Rohy:
349 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0202