TINAPAKA NY TADY...! (RRAG)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TINAPAKA NY TADY...!
Toa nofy ratsiko iny, manindrona ahy mafy,
manakana ny tongotro, tsy hiroso hanatona azy.
Ny foko mitomany, toa hila tsy hahatanty,
mahatsiaro ireo sangy, miary vazivazy.

Manindrona ahy ny ainga, tiako hampitaina.
Ny lasa toa mamatotra, ny saiko tsy hifoha.
Angamba nofinofy, mihazona ny saina.
Nefa toa tsaroako, hatramin'ireo taloha!

Dia tinapaka ny tady, fa handao hono ianao.
Sady tsy mba mampamangy, fa veloma tsotra izao.
Nahoana no tsy hitomany, ny fo anie ka tena tia e?
Mbola voafatotr'ireo lasa, nefa ilaozan'ny fitia!

Tinapaka ny tady, ny ranomaso no harotsaka.
Kotsa koa ny tava, ny tia toa tsy nangoraka.
Fa veloma foana, no asesiky ny vavany.
Tsy rototra akory, jereo anie 'ty tavany!
RRAG
03 Febroary 2017
--------
Rohy:
356 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0172