TOA TAVINY SY VOLONY… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TOA TAVINY SY VOLONY…
Dia nieza-nitady aho, ‘lay tena lafatra.
Narahako mihitsy ilay teny hoe fatratra,
fanao rehefa handoka, ny tovovavy tsara.
Tsy nojerena intsony ‘zay tolotr’anjara!

Nahita tokoa an‘ity anjely miavaka,
dia nitampi-maso ka nianjera tan-davaka.
Nanaraka ambokony ny fihevitry ny sainy,
dia ‘lay tenin’ny Ntaolo, hany mba hainy.

Sady taviny no volony moa ‘lay teny mahazatra,
fampitahàna ny soa sy ny tsara?
Saingy ‘ty ahy, dia tsilo-nandràtra,
fa tavy sy volo tokoa, ‘ty nahataratara!

Ny volony mantsy toa hoe kalanoro!
Ny taviny indray toy ny … be ronono.
Ny tena amin’izay, toy ny taolan-katsaka,
ka ny olo-mahita aza, ity tena latsaka.

Toa taviny sy volony, ity hoe sakaiza,
amin’izay ramatoa, efa maro taiza.
Efa tena aman-jafy, mbola an-jipo fohy,
Marina mafy tsy ho loza, raha izao no mitohy.

Aaaaa! Tena enjana iny, hay nofy ririnina!
Ranon’ampango, tomefy vitsinina.
Soa aloha fa nofy e! Fa dia namaky saina.
Saika nampijanom-po, tsy nahafaha-niaina!
RRAG
13 Oktôbra 2019
--------
Rohy:
311 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0205