TOA TEO AVOKOA… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TOA TEO AVOKOA…
Ery anjorian’ny foko maràtra
no andrian’ny fery tsy sitra(na) sitranina.
Eny avokoa ny mpiankaso mahazatra
no misangy ny fiainako misangodim-panina.

Matory eny koa ‘zao ny lasa tsy maty
‘lay mody nitony kanefa tsy lefy!
Eny ihany koa, ny takopery ao anaty
no mikiky ny aina ary dia vetivety,
ka reraka sahady ny saina tsy malona.
Ny tamberin’ny lasa aza tsy mba nivalona!

Eny an-joron’ny sento tsy miato
no itoeran’ny embona sy ny alahelo!
Teo no nirotsaka, efa ho tato ho ato,
ny ranomaso narahan-dranon-delo!

Mivelona eny koa ‘zao ny tsiaro tsy hadino
‘lay lazain-tsy tadidy kanefa tsy dify!
Ao no miaina daholo ‘reo sedra tsy nampino,
nandràtra ny am-po sady nieza-nikiky,
fa tsy namela azy hanam-panantenana.
Toa teo avokoa izy ireo no tamana!
RRAG
02 Nôvambra 2021
--------
Rohy:
496 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0178