TOA TSAROAKO IRENY… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TOA TSAROAKO IRENY…
Nangina tampoka ny tany, i Neny reko nitomany,
fa nianjera irery i Antsa, tsy nisy afaka nanohana,

tsaroako ireny, toa tsaroako hatramin’izao,
fa tsy nisy vava iray nahateny, raha vao lavo izato ianao.

Tsaroako ireny, toa mitamberina ao anatiko,
ry Antsakely, tsaroako ireny fa tsy tantiko,

nisaona tampoka ny lanitra, nianjera ilay fitia,
nitomany ny Andriamanitra, ren’ny foko hatraty.

Tsaroako ireny toa tsaroako, fa nangina koa ny ala,
i Antsakely ilay nantsoiko, dia efa nirintona niala.
Nandao tanteraka ‘ty tany, fandalovam-batan’aina,
namela fo maro hitomany, namela fo maro hitaraina.
RRAG
04 Nôvambra 2004
--------
Rohy:
290 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0225