TOHIZANA ANY ANKOATRA...! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TOHIZANA ANY ANKOATRA...!
Nosakanana isika, norarana ny tsy hiaraka.
Eny, nifankatia tokoa isika, efa hatrany am-pianarana.
Tsy nisy azontsika atao, fa setrasetra no nasetry.
Dia ny fitiavako anao, no nolazaina hoe tsy nety!

Asa, ny fari-piainan-tsy nitovy, sa saranga tsotra izao?
No namerana ny antsika, ka nanerena anao handao!
Nefa mafy ny faka, nifamatorantsika roa.
Dia avy hatrany notapahina, nohitsahiny hatramin'ny zo!

Tiako ianao, ianao tia ahy, fato-maty raha ny antsika.
Nalavirina ahy ianao, dia nanaovam-pikafika.
Nolazainy fa efa niova, nitia olon-kafa aho.
Soa aloha e! Fa tsy nino izany ianao!

Dia nosambori-nogadraina, fa nanadalanao hono aho.
Nitomany nitaraina, saingy nihafiako, fa noho ianao.
Ka tsy nisy hevi-petsy, nahavita nampisaraka.
Fa vao mainka azy ireny, no fatora-nampiaraka!

Novonoina ny anarako, nolotoiny koa ny hasiko.
Naratsiana ny tantarako, dia nofongarina ireo ratsiko.
Izay efa fantatrao, tsy nampaninona anao!
Saingy ninian'ireo natao, hahatonga ahy mba hitalaho!

Tsy noraharahaiko ireny, na nororainy aza aho.
Fa nanamafy ny herim-poko, ny fitiavako anao!
Dia nitadiavana hevitra hafa, ka nalefa sesitany.
Gaga aho io andro io, fa ianao dia tonga hatrany!

Mafy marina ny tia, indrindra moa raha sendra izany.
Toa fahazaran'izy ity, ny isan'andronao tomany.
Ny ranomasonao toa orana, mipatrapatraka ohatr'izany.
Ka ny mosoaranao 'zay kotsa, dia efa ho maromaro ihany!

Kinanjo izao aty aoriana, lavon-dahatra ianao.
Nosaziana aho nofonjaina, fa hono hoe namono anao!
Hozakaiko anefa izany, na dia miendrika hararaotra.
Ny fitia nalevin'ny tany, hotohizana any ankoatra!
RRAG
10 Mey 2017
--------
Rohy:
398 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0215