“TOI”! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
“TOI”!
Mba mahagaga ihany, ny fo rehefa tia,
fa miova ny fahazarana, nentin’ny fahiny.
Tsy “miracle” io, na “magie” koa sanatria,
fa toy izany mihitsy, rehefa sendra ny olon-tiany.

Very ilay izaho, manjaka irery am-po,
tafiditra ianao, ilay tsy teo taloha!
Niala ny “moi”, dia niditra ny “toi”.
Tsy avy aiza ireo fa, avy amin’ilay “choix”!

Safidiko ianao, “tu es mon choix”.
Toa fitiavan-tena, ‘lay “tu es à moi”!
Fa ny tena tia, dia ‘lay manana “Foi”.
Ka mahandry hatrany, ilay “à la prochaine fois”!
RRAG
12 Martsa 2013
--------
Rohy:
329 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0228