TOJO ILAY NIRINA...! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TOJO ILAY NIRINA...!
Tiako ianao hantsoina, malala tiako indrindra,
tokana ao am-poko, safidy zary anjara.
Hovaiko raha sitrakao, ilay hoe: “I Rindra”,
anaranao, nahabotrabotra, sady nahatara.
Nanaitra ny foko, hibaboka fa tia,
ny anaranao, ampiako hoe: “Fitia”!
Sa tsy tiandrỳ?

Omeko anao ny anarana, lisin'ny fitiavako,
satria ianao no vony, miendri-boninkazo.
Ny hanitrao, manome ny tsiky, mitaratra ny tavako,
asa, azo mety ovàna, hamoronako ny vazo.
Izay vazovazom-po, hifaliantsika,
anatin'ity hatsiaka,
'zay tena mamanala!

Ny anaranao raha mety, ataovy “Soanirina”,
nirina satria tiana, soa fa kanto koa.
Mety azo avadika, hoe: “I kala Manjatiana”,
ilay mamatotr'aina, zary famato-po!
Nefa toa tsy ratsy, raha toa Malalatiana,
sady fỳ tsy foy, no tojo koa ny vina.
Ka aleo ianao antsoiko: “Tojonirina”!

Satria tokoa angamba, ianao no tojo ahy,
tokana amin'ny aiko, fa silaka fanahy.
Silaky ny tena, tia ka notiavina,
nitia am-pahendrena, ka tsy mba nolavina.
Ka tojo ilay tiana, fato-matin'ny aina,
izay anaranao, malala? Nirina? Tsy hiasana saina,
fa amiko, ianao ilay maraina!
RRAG
06 Mey 2017
--------
Rohy:
399 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0198