TOJO IZAY NIRINA… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TOJO IZAY NIRINA…
Ry tiana a!
Tanteraka ny nofiko, ‘lay ho eo anilanao.
Ny faniriana a!
Dia ny alitara, no voady vaovao.

Tontosa na dia vesatra, ny lalana nodiavina.
Tafita na dia reraka, nilanja ny fitiavana.
Tanaty honahona, nisedra ireo tadio.
Soa fa ny hakamoana, resin’ny anio.

Ry tiana a!
Vita ilay voady, naraham-pombafomba.
Ny faniriana a!
Dia isika roa mivady, mba hanan-tsoa mandova.

Tojo izay nirina, ny foko ka mivetso.
Mihiram-pifaliana, mikalo hiran-tsento.
Ho an’ny fo hafa, tinerin’ny taraina.
Mba hahatontosa kasa, ‘zay efa nantenaina.

Tojo izay nirina, ny foko ka mifaly.
Saingy toa mangina, ho an’ny fo mijaly.
Mivavabavaka eny, mba hisy fifaliana.
Hanarona ny sento, anaty fijaliana.

Tojo izay nirina, ny foko manantena.
Fa ireo kamboty, dia hilanja fandresena.
Anaty fahavitrihana, handingam-pahantrana.
Ka ho tojo izay hirina, anaty fiantrana.

Ry tiana a!
Resiko ny lasako, noho ianao ihany.
Ny faniriana a!
Dia ho tojo izay hirina, ‘reo fo ‘zay mitomany.
RRAG
12 Febroary 2013
--------
Rohy:
302 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0841