TOKANA AN-TANY…! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TOKANA AN-TANY…!
Tokana an-tany izay Reniko izay.
Nizara fitia sy nitaiza ahy!
Izy no Reniko mandrakizay.
Tsy handao ahy izy, izaho tsy hanahy!

Nisotro izy anefa ny rano tsy tiana.
Nisedra ny mafy, mba ho fiaina-mirindra,
no hilomanosan’ity zanaka tiana!
Eny! Tena tiany indrindra.

Marary izy ireny, toa mbola mikiry.
Tsy mahalala reraka, fa miezaka hatrany!
Ka zakainy izay, mety ho hirifiry.
Eny! Na dia hiafara amin’ny tototany!

Tokana an-tany ianao re ry Neny.
Fitia volamena, tsy mety miofo!
Tsaroako hatreto, ireo karazan-teny,
fandrotsirotsiana ahy rehefa miampofo…

Tokana an-tany tsy manan-tsahala.
Miavaka toetra, miavaka indrindra!
Ianao ry Neny, izay Reny malala.
Ny fitiavako anao dia tsy mety hafindra!
RRAG
Ny taona 2013
--------
Rohy:
305 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0699