TOKOA MOA IZANY… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha hoy ilay Mpanoratra sady Poeta, Ray aman-dReny no Zoky iray izay hoe:
-HO ELA VELONA ANIE I MADAGASIKARA-
Manonja ny foko! Miontana faly sa feno hakiviana?
Midoboka anaty, tsy hoe tebiteby na misy ahiana,
Ravo satria, voatsapa fa misy ny firaisan-tsaina
Aty sy afero ny fo Malagasy: Mifaningotr’aina.

Midobok’amponga, mively lamako ny foko ao anaty
Ny fanantenana no reko manàko fa mbola tsy maty
Ny maha-Malagasy, ataoko antso avo f’izaho tsy hangina!
Aty sy afero ny fo Malagasy: Misy faniriana.

Ny zava-drehetra miandry fotoana ny soa tsy mba maika
Ny fanantenako mitety havoana fa tsy mba mihantraika!
Ny vetsom-panahy iraisan’ny maro mba vetsoko koa
Aty sy afero ny fo Malagasy ka soa miara-tsoa.
RATOVOARISOA
David TSIMBAMIANGATRA
“Adidy amin’ny tanindrazana”
1966
(Vidiny: 20Ariary)

Dia hoy kosa indray aho mamaly izany ainga izany hoe:

TOKOA MOA IZANY…
Misento mangina aho, fa nofy avokoa,
ireo tinazanao, sy hitanao taloha!
Ny soa aza anie e! Tsy hay nofaritina,
ka dia tsy tamana fa lasa nirintona!

Irony hafaliana e! Aiza amin’izao?
Aiza Rafanantenana, nampiravo anao?
Nokaofin’ny riaka a? Sa nisy namono?
Rafahamarinana aza moa ‘ty, nataony ho jono!

Ekena tokoa fa miandry fotoana e!
Kanefa moa ve, andry ny fo leo ny misaona,
izato soa lazainao ombeny, fa tsy mba mahamaika?
Tokoa moa izany, toa tsy andry intsony, fa diso mitsaika!
RRAG
18 Oktôbra 2020
--------
Rohy:
298 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0195