TOLONA TSY HO EFA… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TOLONA TSY HO EFA…
Ry Mevan’ny fitiavako, tsy ho efako intsony.
Tiako loatra ianao, fa toa tsy mety tony,
ny fanaintainana, manarona ny feriko.
Ka dia ny saiko indray, no manova ny fijeriko.

“Mahefa! Handao ahy izany ianao oh?”

Tsia, tsy izany velively,
ry ilay anjelikely,
nitsabo ny ràtram-poko.
Ianao tsy hosoloiko!

“Fa dia nahoana fotsiny, no kivy izato ianao?”

Tsy kivy aho ry aiko, fa reraky ny tolona.
Marary koa ny saiko, ka dia aleoko mionona.

“Tsy tia ahy izany ianao, raha toa miravi-tanana,
Sa ariana rehefa, tsy mba olo-mpanana?”

Marary amiko izato, teny latsanao.
Manindrona ny foko, manitatra ny feriny.
Aoka, aoka re ry aiko, fa aza avela hitalaho.
Alao moramora, ny faka zary teriny!

“Tsy tiako ny handràtra, tsy vitako ny haneso,
nefa toa mitroatra, ka zary toa mivetso,
misento mitomany, mandray ny teninao.
Veloma! Veloma ianao, mandehana raha handao!”
RRAG
12 Mey 2012
--------
Rohy:
386 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0937