TOMPO Ô! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TOMPO Ô!
Ry Tompo ô!
Eto aho anio,
anoloan’ity ady,
izay zakain’ny fireneko.
Milavo lefona sahady,
dia nandà ny fanekeko.

Eto ry Tompo,
mitanondrika misento,
toa manenina amin’ny vita.
Minia mamaky ny vetso,
saingy indrisy fa efa tsy hita,
fa indray naleviko tamin’ny taniko,
namoizako ny akaniko.

Eto aho,
mitanisa ny tsy vita,
manofinofy ny any ampita,
saingy indrisy fa voafatotra,
noho ny foko izay tsy matotra,
ka dia mora nanadino.
Ankehitriny aho tsy mino,
nefa tena zava-bitako,
na dia nodiako tsy hitako.

Ry tompo ô!
Mamelà ity fahadisoako,
ampitomboy ny finoako,
omeo ahy ny hery vao,
iarahako aminao,
hanavotra indray,
‘ty fireneko efa ho may,
noho ny hadalako.
RRAG
Aogositra 2012
--------
Rohy:
347 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 8.2661