TONGA IHANY LAHY… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TONGA IHANY LAHY…
Ndrih! Tonga ihany lahy, fa saika ho efa tsy andry.
‘Ty aina valabalaka, toa mbola velo-mandry!
Ny hasasaran-tena, toa hila efa hahafaty,
dia mbola alahelo no, injay tahiry anaty!

Tonga ihany fa, moa hitondra vao?
Sa ny tonta ihany no, havadibadikao?
Tonga anefa moa dia, hanova inona?
Ilay nofy oviana izany no, hosakambinina?

Tonga ihany lahy, izato ianao ry taona.
Izaho mantsy nihevitra, fa tsy ho tafahaona,
dia nararaotiko ihany, ny nahateo ‘lay lasa.
Ka tsy nahoako, izay hoe: “Handrafi-kasa”!
RRAG
02 Janoary 2019
--------
Rohy:
255 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0204