You are here: home > Vetso

TONGA SOA RY TAONA… - RRAG

Azo vakiana?

TONGA SOA RY TAONA…
Teraka ianao dia, lavo ny taloha.
Hontsa ny eritreritra, nefa atao ahoana moa?
Ny teo tsy hay notanana, toa efa tsy tamana.
Toy ‘reo lasa rehetra, hatramin’ny fahazazana.

Tonga soa ry taona, ka inona no noentina?
Fahasahiranan-tsaina ve sa, sento sy aretina?
Mety kosa angamba e! Fandrava alahelo.
Famafa irony haizina, mbola mihelohelo!

Tonga soa ry taona dia, eo mba mitoera.
Ny fahatongavanao, no hinoana, fa isam-pandresena.
Vao ianao tsy tota, hitondra aina vao.
Rariny raha ho arabaina hoe: “Tratra soa ianao”!
RRAG
01 Febroary 2019



Hametraka hevitra

Midira aloha