You are here: home > Vetso

TOPAZO MASO! - RRAG

Azo vakiana?

TOPAZO MASO!
Na tsy tianao aza,
ny mahita ahy,
dia mba topazo maso,
na indray mitazana aza,
fa tiako loatra ianao.
Na dia nanadino ahy,
tiako ianao fa aza manahy!

Topazo maso kely,
ity tava-malahelo.
Ataovy indray mijery,
dia aza avela hihelohelo.
Fa efa rera-mitomany,
leo ny ranomaso-latsany,
dia topazo maso hatrany,
mba hatsapana izay tena lafany!
RRAG
22 Oktôbra 2012

Hametraka hevitra

Midira aloha