TOPIMASO… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TOPIMASO…
Topimaso sendra lasa, nitily azy avy ilavitra,
no nanaitra ny fonao, nahatonga anao hijery.
Saingy ny azy nisy harika,
longilongy toa fanao, sady arahany eson-teny.

Topimason’ireo kasa, tara-davitry ny hoavy,
no natosakao ny lasa, mba tsy hisy fato-tady,
na fery hafa hitamberina, ankoatra ny efa misy.
Dia ny fahiny no naverina, nosivanina hanify!

Topimaso sendra lasa, no nanaitra ny fonao,
fa fijery mahazatra, no namaly ny antsonao.
Topimaso tsy nampoizina, no niantsampy taminao,
io ‘lay jery zary poizina, tsatok’antsy avy aminao.
RRAG
21 Martsa 2013
--------
Rohy:
278 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0543