TORIMASO…! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TORIMASO…!
Mahantra izahay, satria hoe tsy manana,
tsy afaka mianjaika, toy ny anareo.
Mahantra izahay, fa ny kely an-tanana,
hany anananay, nobodoan’ireo.

Mahantra izahay, dia tsy afaka mihinana,
hanim-pitoloha, toy ny anareo.
Ny anay tsindrohina, hatramin’ny tsy fihinana,
sisa fanome, ny alikan’izy ireo.

Mahantra izahay, mandry amoron-dalana,
miaritra hatsiaka, sy mihafy ny oram-baratra.
Ianareo an-dapa, mirindrim-baravarana,
fa ‘zahay tsy manana, na jiro mba hitaratra,
na lamba hotafiana, na mpiambina hampitsahatra,
izay vovòn’alika, an’alina tomaratra.

Izahay tsy manana, ‘zay baiboly akory,
baiboly ho afaka, hoentinay mivavaka,
ny mba hanananay, dia fo tsy mety tony!
Fa hoe angamba kosa, minia manavakavaka,
‘ty lanitra ambony, mba tafontranonay,
ka ianareo no ampiany, fa izahay dia ‘zay!

Tsy misy an-tananay, firavaka mangirana,
fitondra an-danonana, fandravaham-batana.
Fa ny hany fantatray, dia izahay sahirana,
tsy manana mpiantra, mba afaka hintantana.

Ry lanitra ambony, aza melohina intsony,
fa efa toa mavesatra, ny fery entinay.
Mahantra izahay, fa aoka ilay tory,
torimaso tokana, mba fanananay,
mba tsy ho alaina intsony, am-pelatananay.
Fa io no mba anay, anay mandrakizay!
RRAG
26 Aogositra 2017
--------
Rohy:
714 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1391