TRANO BONGONAY! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TRANO BONGONAY!
Tsy hanananay raha, ny sezam-bahiny,
fa ny anay akalana, izay seza fahiny.
Tsy takatray ireny, ary tsy homby aminay,
ka aleonay mihafy, amin’izay efa anay.

Raha latabatra izany, toa manery trano,
ny anay tsihy, toy ny anaty angano.
Avalona fotsiny, dia efa vita.
Na ratsy aza iny, iza no hahita?

Iny ihany ny anay, no atao fandambanana,
mahavita ny vitany, k’izay aloha no ananana.
Tsy hiady amin’ny mpanana, mahavidy ny tsara.
Dia lazao koa hoe: “Izahay no tara”!

Trano bongo ny anay, tsy mba rafitra tany,
fa rafi-jozoro, mampitomany.
Efa akaiky hirodana, fa tsy misy azo atao.
Fantatro anie e! Fa tsara ny anao!

Nefa na izany aza, tsy atakaloko ny anay.
Mety hoy ianao hoe: “Trano efa ho may”!
Saingy ao ny ronono, ao ny tantely.
Ka raha ady izany, any an-kafa mijery.
RRAG
22 Desambra 2012
--------
Rohy:
328 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0336