TSARA RAFITRA… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSARA RAFITRA…
Tsia ry Dada!
Tsara rafitra ny ahy,
ka sarotra harodana.
Niady hatramin’ny fanahy,
na dia mbola tsisy vokatra.
Saingy ity no mba tsarovy,
fa efa nitia ihany ianao.
Ka aza asianao tody,
‘ty fitiavan-janakao.

“Mbola hiziriziry ihany,
amin’ny hevi-disonao,
izay fototry ny tomany,
izao lanjainao izao,
izato ianao anaka”.

Izay ry Dada a! Izay no ato am-poko.
Tsarovy, fa ianareo, tsy mba foiko,
fa ny fitiavako mahery, mikaoka ny ao anaty,
‘lay mihibo-misitery, jiro tsy mba mety maty.
Dia sarotsarotra amiko, ny hamafa indray misioka,
ilay sisan’ambioka,
mbola voatahirin’ny alina,
na nikapoka nahafanina.

”Manodiava anao, manodiava anao ny teniko,
izay tsy omenao hasina, tahaka ny reniko,
izay renibenao, nahitako masoandro.
Kakero ao ny nenina, kakero isan’andro,
babeo koa ny tsiny, lanjao hatrany am-pasana.
Lasa ianao mandeha, fa efa rantsan’ny lasana,
tiako hohadinoina,
tiako hovonoina!”

Papa, sahinao ve?
RRAG
Jolay 2012
--------
Rohy:
351 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0229