TSAROAKO TOKOA IRENY…! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSAROAKO TOKOA IRENY…!
Tsaroako ireny, na dia tsy hampatsiahivina ahy,
ilay ianao niteny, tamin-kalemem-panahy,
fa handray ny fitiavako, hanaiky ny ho firavako,
eny! Tsaroako ireny!

Tsaroako ireny, na modianao tsy tsaroana.
Tamin’ireny ny foko, no nahare voadona,
noho ny hadalana, izay nataonao.
Tsaroako ireny, tsaroako hatramin’izao!

Tsaroako ireny, na ràtram-po mitoetra aza,
feriko iny, na dia lazainao ho kapo-jaza.
Ka hotsaroako eny foana, na mety haningotra ny aiko,
hotadidiako isan-taona, na dia hanita-perin-tsaiko.

Tsaroako ireny, tsy mety maty na vonoina,
toa sora-drà, mamatotra ny fo misaona.
Mitampisaka amin’ny vintako, ‘ty anjara entim-piainana.
Tsaroako ireny, na dia tahirim-panaintainana!

Ka tsy hofafako am-poko, na manolatra tsy tanty.
Tsy mitady aho! Tsy mitady izay hoe ampy,
fa kosa mitahiry, ferim-po navelan’ny ela.
Tsaroako ireny, na dia fototra halemena!

Ka na afo enti-mandoro, na horotehina ho rotika,
dia ny foko mbola mino, fa tsy fitia mora potika.
Ka hotsaroako eny foana, na ho fasan’ny aiko aza.
Hotehiriziko eny foana, ary harovako tsy ho rava.

Eny, tsaroako ireny, dia ‘lay ianao niteny,
fa tena tia ahy, babon’ny atin’ny fanahy.
Tsaroako ireny, dia hotsaroako eny!
RRAG
Jolay 2012
--------
Rohy:
270 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0212