TSAROVY… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSAROVY…
Tsarovy am-po mangina,
ny anarako hitoetra.
Izay vesa-panahiana,
antsoy aho dia ho voafetra.
Aza mbola dorana,
ireo sariko ‘zay any.
Aleo koa mba tsy hanimbinana,
ilay mosoara, namafana ireo tomany.

Tsarovy am-po misento,
ny anarako hampitony.
Dia homaivana ny vetso,
tsy hisy ranomaso intsony.
Ary hangina ny antsoantson’
ireo fo ‘zay mitaraina.
Ny fitia tsy hahatsatso,
fa toy ny rivotra maraina.
Mahay mizara ny tsy efany,
ilay tsy vitany ho zakaina.
Mahay mamaritra ny setrany,
mahay manala ferinaina.
RRAG
23 Oktôbra 2012
--------
Rohy:
382 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0304