TSIA...! (RRAG)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSIA...!
Anaka! I Mama tsy hoe alika ka roahana isan'andro,
vao 'njay mahay misintaka!
Tsy omby ka velesina, ho hila isan'andro
fa tsy mahalala vizaka!

I Mama nofo ihany fa tsy hoe fanahy akory,
ka tsy hahare marary!
Isan'andro vaky izao no tsy mahita tory,
fa saingy, tsy tia anao hijaly!

Ankehitriny kosa aza omena tsiny,
raha toa milavo lefona!
Fa satry tena satry ny hamafa ny fahiny,
kinanjo efa arafesina!
Tsy hita famafana!
Tsy tian'ny hafanana!

Leo ny latsalatsa miary daroka aman'aina!
Kivy ny fiovana miantraika eo amin'ny saina!
Te hihiaka mafy, saingy tsy hery hahaloa-peo!
Dia aina no nanaraka, nandao anareo
zanaka tsy foina!
Eh! Tsia... Fa taiza ny hadisoana?
RRAG
30 Aprily 2021
--------
Lien:
208 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.021