TSINDRY HAZO LENA… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSINDRY HAZO LENA…
Sao tsy rariny intsony, fa tena kapoka hamono,
ity hazera hampihetry, ny madinika indrindra.
Sao ho ràtra entim-pony, ity fery miahy hatono,
hozakain’ny saina resy, ‘lay hany sahy namindra.

Nolovaina irony latsa, isan-dova koa ny fery.
Ny tsindry hazo lena asa, toa mbola isan-teritery.
Famatorana ny kely, ilay nangina tsy niteny.
Tsy hantenain-ko tantely, satria fery entin-drery.

Sao tsy lalanao anefa, fa ‘zay vitanao anio,
dia aloka tsy afa-kilefa, hiendrika hery toa tadio.
Ka ny lasanao rehetra, dia hivarina amin’ny hoavy,
ka ho zoga tsisy fetra, ary ho zary fato-tady.
RRAG
Aogositra 2012
--------
Rohy:
308 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0201