TSIPI-PANOMBOHANA... (RRAG)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSIPI-PANOMBOHANA...
Etsy ianao lazako, ny tsapan'ity foko,
any ilavitra any, misy iray tsy foiko.
Tsy akory nanalavitra, fa dia nanefa adidy,
tsy laha-boatendry fa, tena hoe safidy.

Saingy ny alavirany, mampitraotra ny aiko,
toa mafy tena mafy, mandratra ny aty saiko.
Mila tsy ho tanty, kanefa atao akory,
satria izay atao, no indrao manorisory.

Tsipi-panombohan'ny alahelo anaty,
ity minia mikiry, mamongatra handranty,
ny sary hifanakalozan'ny eritreritray,
soa ny anay fa voady, ny ho mandrakizay.

Tsipi-panombohan'ny sedra hisetrasetra,
sinaingy ny anay, fitia tsy manam-petra,
tsisy fiafarany fa fato-mandramaty.
Ny anay hifampihainoina, ny zavatra tsy tanty.

Izahay tsy vato, ka tsy hanana alahelo,
tsy raho-mainty an-danitra, tia mihelohelo,
fa antso am-pinday, no hifanatonana,
mety tsy ho ela intsony, dia efa hivaha 'ty olana.

Hihaona izahay, hifampizara tsiky,
ho foana irony sento, ka ho toy ny tsy nisy,
irony elanelan'ny tsipi-panombohana!
Ny fitiavanay mahery, no isam-bahaolana.

Tsipi-panombohana no nisantaranay ny fiainana.
Izay tsipi-pitanisa, ny dingana efa niainana.
Ka indro anio ho teboka, no entin-kamaranana,
fa resinay 'reo ady, nanalo-piadanana.
RRAG
05 Aogositra 2020
--------
Rohy:
421 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0209