TSONGOY FON-TENA... (RRAG)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSONGOY FON-TENA...
Mikiky ianao mandrangotra manitatra ny ratra...
Mikapa sa midaroka amin'ny dona efa mahazatra?
Miantsampy dia manosika azy hianjera an-davaka...
Kanefa isak'alahady ianao toa hoe mivavaka!

Ratrainao ny fony ho hankahalain'ny hafa...
Tapenanao ny vavany tsy hihiaka sy tsy hitafa...
Fatoranao ny tongony tsy ho afaka hiala...
Izy aza aratsiana lazainao adala...

Misento ve tsy hisento raha mbola fo mitepo...
Ny sisa hany ataony dia ny manainga vetso....
Manoratra tantara sy irony sombintsombiny...
Hatramin'ny tononkalo no tamba-panafodiny!

Tsongoy fon'olo... e! Tsongoy fon-tena!
Hevero kely anie hoe izy 'lay noresena
no haka, hihindrana ny toeranao...
An-tsary indray mipika, toa tsy ho zakanao!
RRAG
14 Aprily 2021
--------
Lien:
295 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.021