TSY AFAKA... (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY AFAKA...
Vono olona, latsak’aina,
io no sanda, sandam-pahafahana,
vidin-tolona, tsy noneram-bola,
fa natakalo, natakalo fihavanana!

Vono olona, latsak’aina,
tsy nanova inona, fa vao mainka nanageja,
nanamafy fototr’ireo fefy, sy namato-maty ny tady,
handripahana ny Gasy, sy ireo nitarik’ady!

Vono olona, latsak’aina,
tifitifi-tsy ankijanona, tsy nanam-piafarana.
Fandotoan-tsaina, hanohitra firaisankina,
izay soatoavin’ny Gasy, tena manan-jina!

Vono olona, latsak’aina,
Noheverina hanafaka, hampilamin-tsaina,
Kinanjo, nampioko fahavalo, handripaka ny Gasy.
Dia ‘lay Malagasikely, an-tanam-polo tsisy basy!

Vono olona, latsak’aina,
rà nalatsa-pahavalo, tsy nasiany hasina.
Nohitsahiny ‘reo sata, velirano masina,
natsangam-pirenena, ho satan-tanindrazana!
RRAG
Mey 2009
--------
Rohy:
269 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0855