TSY ALEONAO IZAHO...! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY ALEONAO IZAHO...!
Tsy laviko fa hoe, mpinamana isika,
ilay tsy nifankafoy, eny hatramin'ny ela.
Niaraka nianatra, fa samy te ho tafita.
Saingy ianao nisidina, izaho ity tavela!

Na tsy nifankahita aza, dia tsy nifanadino,
niantso ahy ianao, nilaza ireo vaovao.
Hanambady hono, izaho toa tsy mino,
raha hanambady ihany, tsy aleonao izaho!

Inona no ataoko, ny tena moa vehivavy,
tsy afaka hamboraka, ny fitia anaty?
Dia tsy tsapanao ve, irony sangisangy,
fitia miredareda, izay tsy mba mety maty?

Isika koa angamba, saranga tsy mitovy,
kilasy tsy hifandanja, ka tsy natao hiaraka.
Nefa anie malala e! Eo moa mba tsarovy,
fa ny oram-baratra aza, sedra tsy nahasaraka!

Nefa ilay nofinidinao, mba taiza tamin'ireny?
Narary ianao, moa tsy izaho no teny?
Saingy izay angaha no anjara a!
Malala a! Dia soava tsara!
RRAG
03 Nôvambra 2017
--------
Rohy:
340 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0729