TSY DISO TOKOA… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ity tononkalo ity dia valin’aingan’ny tononkalon’i Rado tao amin’ny amboaran-tononkalony “Voninkazo adaladala” pejy faha 50, izay nampitondrainy ny lohateny: “Diso ve?” Nosoratany ny 18 Septambra 1994.

TSY DISO TOKOA…
Aiza kosa dia hoe miampanga anao,
kanefa ny vavako ity tsy miloaka?
Raha momba indray ‘ty ranomasonao,
ekeko tokoa fa dia rariny loatra.

Iza moa ‘sika no tsy namoy olon-tiana,
ka tsy hihamba akory aho ny hihomehy anao?
Tsapako tokoa izato ianao mangina,
sady toa tsy mba namana ahafaha-mitalaho!

Tsy diso tokoa ianao raha toa ka nijanona,
niato nangina tsy namaky ‘ty boky,
satria ny antsa raketiny toa mbola mahamanina,
mampatsiaro ireo dina sy toky.
RRAG
03 Septambra 2018
--------
Rohy:
Sokajy : Fampaherezana
626 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0206