TSY FOIKO NY OROKAO… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY FOIKO NY OROKAO…
Tsy foiko ny orokao, toa tantely tsy niofo!
Tsy foiko ny orokao, eny tsy foiko, hatrany anaty nofy!
Ny orokao ihany mantsy, no hany tokana tsaroako,
Eh! Tsy foiko ny orokao, tsy foiko, tena tsy foiko!

‘Lay molotrao misafo, ny tavako maloto,
ilay tsy nosasako, noho ‘lay orokao tsy foiko.
Iny koa tsy foiko, ary tsy ho hadinoiko,
tsy mba hosasako, na dia hiosin-doto.

Tsy foiko ny orokao, fa toa volamena,
ilay lafovidy, tsy toy ny eny an-tsena.
Sarotra fitady, na ao anaty nofy,
tsy foiko ny orokao, ‘lay ‘zaho sy ianao nitosy.
Teo am-parafaran’ny Ray sy Reninao,
nanao ‘ty raha natao!

Tsy foiko ny orokao, ‘lay namafa ny tomaniko,
foiny i Kiaky ilay nianjera, nalavon’ny fiainana,
ka lasa tsy niera, niala fitarainana.
Tsy foiko ny orokao, tsy foiko satria mamiko,
nandefy ny alaheloko, raha ‘zaho niady irery.
Nanohitra ny sedra, tsy nisy mba nijery!
Fa ny hafa samy toa variana, nandravaka ny akaniny,
ny sasany namefy, ny isan-tokontaniny.
Fa ny orokao kosa, tsy mba nanary ny finoako!
Izy irery ihany, no tena vokatsoako.
ka tsy foiko, tsy foiko, tena tsy foiko!
RRAG
Aogositra 2012
--------
Rohy:
393 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0213